Acts 12

1Ary tamin’izany andro izany Heroda mpanjaka nisambotra ireo sasany izay an’ny fiangonana mba hahafahany mampijaly azy ireo. 2Novonoiny tamin’ny sabatra Jakoba rahalahin’i Jaona.

3Ary rehefa hitany fa nahafaly ireo Jiosy izany, dia nanao izay hisamborana an’i Petera koa izy. Izany dia nandritry ny andron’ny mofo tsy misy masirasira. 4Rehefa avy nosamborina izy, dia nataony tany am-ponja izy ary nanendry miaramila efa-toko hiambina azy, nikasa ny hitondra azy eo amin’ny olona aorian’ny Paska izy.

5Noho izany dia notazonina tao am-ponja Petera, fa ny vavaka dia nataon’ireo izay tao am-piangonana mafy kokoa tamin’Andriamanitra ho azy. 6Ny alina alohan’ny hitondran’i Heroda azy hotsaraina, Petera dia natory teo anelanelan’ny miaramila roa, voafatotra tamin’ny rojo anankiroa, raha mbola nijanona niambina ny fonja ny mpiandry teo alohan’ny varavarana.

7Indro, nisy anjelin’ny Tompo niseho tampoka teo akaikiny, ary nisy hazavana namiratra tao anatin’ny efitry ny fonja. Nikapoka an’i Petera teo amin’ny ilany izy ary namoha azy ka nanao hoe: “Mitsangàna haingana”, ary ireo rojony niala tamin’ny tanany. 8Ny anjely niteny taminy hoe: “Ampiakanjoy ny tenanao ary anaovy ny kiraronao.” Dia nataon’i Petera araka izany. Ny anjely niteny taminy hoe: “Anaovy ny akanjonao ivelany ary manaraha ahy.”

9Dia nanaraka ilay anjely Petera ary nivoaka. Tsy fantany fa ireo izay nataon’ny anjely dia tena izy. Nihevitra izy fa nahita fahitana. 10Rehefa avy nandalo teo amin’ny mpiambina voalohany sy faharoa izy ireo, dia tonga teo amin’ny vavahady vy izay mitondra mankany amin’ny tanàna; nisokatra ho azy tamin’izy ireo izany. Nivoaka izy ireo ary nidina tamin’ny lalana iray, ary ilay anjely nandao azy avy hatrany.

11Rehefa niverina tamin’ny tenany Petera, niteny izy hoe: “Ankehitriny dia fantatro marina fa ny Tompo no nandefa ny anjeliny ary nanafaka ahy tamin’ny tanan’i Heroda, sy tamin’ny zavatra rehetra izay nandrasan’ny Jiosy hiseho. 12Rehefa tonga saina tamin’izany izy, dia nankany amin’ny tranon’i Maria renin’i Jaona, antsoina koa hoe Marka, izay nisy olona maro niangona sy nivavaka.

13Rehefa nandondona teo am-bavahady izy, nisy mpanompo vavy iray antsoina hoe Roda tonga namaly. 14Rehefa fantany ny feon’i Petera, tamin-kafaliana dia tsy nahavita namoha ny varavarana izy; fa kosa, nandeha nihazakazaka nankany an-trano izy, notateriny fa Petera nijoro teo am-baravarana. 15Dia niteny taminy izy ireo hoe: “Adala ianao.” Fa nanizingizina izy fa izany no izy. Niteny izy ireo hoe: “Ny anjeliny izany.”

16Fa Petera nanohy nandondona, ary rehefa novohain’izy ireo ny varavarana, dia nahita azy izy Ireo ary gaga. 17Petera nanetsika ny tanany tamin’izy ireo mba hangina, ary noteneniny tamin’izy ireo ny fomba nitondran’ny Tompo azy nivoaka ny fonja. Hoy izy hoe: “Tatero any amin’i Jakoba sy ireo rahalahy izany zavatra izany. “Dia niala izy ary nandeha tany tamin’ny toerana hafa.

18Ary rehefa nazava ny andro, dia tsy nisy fientanam-po kely teo amin’ireo miaramila ny amin’izay nitranga tamin’i Petera. 19Rehefa avy nitady azy Heroda ary tsy nahita azy, dia nanadihady ny mpiandry izy ary nandidy azy ireo mba hovonoina. Dia nidina avy any Jodia nankany Kaisaria izy ary nitoetra tany.

20Ary Heroda dia tezitra mafy tamin’ny vahoakan’i Tyra sy Sidona. Niara-nankany aminy izy ireo. Nandresy lahatra an’i Blasto izy ireo, ilay mpanampin’ny mpanjaka, mba hanampy azy ireo. Dia nangataka fihavanana izy ireo, satria ny tanànan’izy ireo dia mandray ny sakafony avy amin’ny mpanjakan’ny tanàna. 21Tamin’ny andro voatondro Heroda dia nampiakanjo ny tenany akanjona mpanjaka ary nipetraka teo amin’ny seza fiandrianana; nikabary tamin’izy ireo izy.

22Nihiaka ny vahoaka: “Izany dia feona andriamanitra, fa tsy an’olona!” 23Teo noho eo dia nisy anjelin’ny Tompo namely azy; satria tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra izy; nohanin’ny kankana izy dia maty.

24Fa ny tenin’Andriamanitra nitombo sy nihamaro. Ka rehefa vitan’i Barnabasy sy Saoly ny iraka nampanaovina azy ireo, dia niverina avy tany [Ny sasany amin’ireo dika soratra tranainy miteny hoe: “Izy ireo niverina tany Jerosalema] Jerosalema izy ireo, nitondra an’i Jaona niaraka tamin’izy ireo, izay antsoina ihany koa hoe Marka.

25

Copyright information for PltULB